20/08/2026
ANTSIRANANA
FITOKANANA NY TSENAN’I BAZARIKELY, FANOLORANA TITRA 200 ARY FANOMBOHANA OFISIALY NY PADEVE
Hetsika lehibe maro izay eo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny Fanajariana ny Tany sy Raharahan-tany (MATSF) no tanteraka androany, 20 Aogositra 2026, tao Antsiranana.
Anisan’ny voalohany amin’izany ny fitokanan’ny Minisitry ny Fanajariana ny tany, Lylyson René de Rolland ny Tsenan’i Bazarikely, izay tetikasa tanterahina ao anatin’ny Fandaharanasa PADEVE (Programme d’Appui et de Développement des Villes d’Équilibre). Izany dia vokatry ny fiaraha-miasan’ny Governemanta Malagasy sy ny Governemanta Frantsay, amin’ny alalan’ny Agence Française de Développement (AFD). Nohavaozina tanteraka ny tsena ka mpivarotra manodidina ny 2 107 no hisitraka izany.
Manarak’izany, dia nisy ihany koa ny Fizarana Titra hoan'ny mponin'Antsiranana. Hoy indrindra ny Minisitra tamin’ny fandraisam-pitenenany : « manana lanja lehibe ny andro androany satria dia nisy ihany koa ny fanolorana Titra ho an’ny mponina Antsiranana, ka miisa 200 ireo nisitraka izany. Ho an’ny mpisitraka mantsy dia tsy taratasy fotsiny ny fahazoana titra, fa indrindra miantoka ny fiarovana ny fiainan’izy ireo ». Nanantena ny tompon’andraikitry ny Kaominina, ny mpivarotra ary ny mpampiasa ny toerana ihany koa izy ny mba hanajan’izy ireo ny fotodrafitrasa ho amin’ny faharetany.
Etsy ankilany nomarihina androany, tamin’ny fomba ofisialy ihany koa ny firosoana amin’ny dingana vaovao PAVEVE 2. Ity dingana vaovao amin’ity fandaharanasa ity dia miompana amin’ny fanohizana ny ezaka ho an’ny fampandrosoana an-tanàn-dehibe eto Madagasikara. Nampahafantarina nandritra ny fotoana androany ho an’ireo tompon’andraikitra ao an-tanàna ny Drafi-panajariana ny Tanàn-dehibe (PUDI) ho an’Antsiranana.
Nofaranana tamin’ny fanaovan-tsonia ny “Fifanarahana Fandaharanasa” teo amin’ny Minisiteran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany (MATSF) sy ny Kaominina Ambonivohitr’Antsiranana ny fotoana. Ity fifanarahana ity dia mametraka amin’ny fomba ofisialy ny fiaraha-miasa sy ny fanoloran-tenan’ny roa tonta amin’ny fanatanterahana ireo tetikasa fampandrosoana laharam-pahamehana ho an’ny tanànan’Antsiranana.
Nanatrika ny fotoana ny Minisitry ny Asa Vaventy, Rafefimanana Sambilason Richard ; ny Filoha Lefitry ny Antenimierampirenena, Ibrahim Issa Charles ny Lehiben’ny Faritra DIANA, Louis Francio Marovavy ; ny Prefen’i Antsiranana, Huberto Dellaris ; ny Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Masoivohon’i Frantsa eto Madagasikara, Julien Buissart ; ny Ben’ny Tanànan’ny Kaominina Ambonivohitr’Antsiranana, Jean Luc Désiré Djavojozara, ny Talen’ny Agence Française de Développement (AFD) eto Madagasikara, Nicolas Le Guen ary ireo delegasiaonina avy amin’ny Minisitera.
-----------------------------------------
ANTSIRANANA
INAUGURATION DU MARCHÉ DE BAZARIKELY, REMISE DE 200 TITRES FONCIERS ET LANCEMENT OFFICIEL DU PADEVE
Plusieurs événements majeurs relevant du Ministère de l’Aménagement du Territoire et des Affaires foncières (MATSF) ont eu lieu aujourd’hui, 20 août 2026, à Antsiranana.
Parmi les principaux événements figure l’inauguration par le Ministre de l’Aménagement du Territoire et des Services Foncier, Lylyson René de Rolland, du marché de Bazarikely, un projet réalisé dans le cadre du PADEVE (Programme d’Appui et de Développement des Villes d’Équilibre).
Ce projet résulte de la coopération entre le Gouvernement malgache et le Gouvernement français, à travers l’Agence Française de Développement (AFD). Le marché a été entièrement réhabilité et permettra à environ 2 107 commerçants d’en bénéficier.
Par ailleurs, une cérémonie de remise de titres fonciers aux habitants d’Antsiranana a également eu lieu. Dans son discours, le Ministre a notamment déclaré : « La journée d’aujourd’hui revêt d' une grande importance, puisqu’elle a également été marquée par la remise de titres fonciers aux habitants d’Antsiranana, dont 200 bénéficiaires. Pour les bénéficiaires, l’obtention d’un titre foncier ne constitue pas seulement un simple document administratif, mais représente surtout une garantie pour la sécurité de leur vie et de leurs biens. »
Le Ministre a également appelé les responsables de la Commune, les commerçants ainsi que les utilisateurs des lieux à prendre soin des infrastructures afin d’en assurer la pérennité.
D’autre part, le passage à la nouvelle phase du PADEVE 2 a également été officiellement marqué aujourd’hui. Cette nouvelle phase du programme vise à poursuivre les efforts en faveur du développement urbain à Madagascar. À cette occasion, le Plan d’Urbanisme Directeur (PUDI) d’Antsiranana a été présenté aux responsables de la ville.
La cérémonie s’est achevée par la signature d’une «Contrat-Programme» entre le Ministère de l’Aménagement du Territoire et des Affaires foncières (MATSF) et la Commune Urbaine d’Antsiranana. Cette convention officialise la coopération ainsi que les engagements des deux parties dans la mise en œuvre des projets de développement prioritaires pour la ville d’Antsiranana.
Ont notamment assisté à la cérémonie : le Ministre des Travaux Publics, Rafefimanana Sambilason Richard ; le Vice-Président de l’Assemblée nationale, Ibrahim Issa Charles ; le Chef de la Région DIANA, Louis Francio Marovavy ; le Préfet d’Antsiranana, Huberto Dellaris ; le Premier Conseiller de l’Ambassade de France à Madagascar, Julien Buissart ; le Maire de la Commune Urbaine d’Antsiranana, Jean Luc Désiré Djavojozara ; le Directeur de l’Agence Française de Développement (AFD) à Madagascar, Nicolas Le Guen ; ainsi que les différentes délégations du Ministère.