DREN Haute Matsiatra

DREN Haute Matsiatra Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from DREN Haute Matsiatra, Government Organization, Mahamanina, Fianarantsoa.

04/08/2026
✳️Nifarana tamin'ny fomba ofisialy ny zoma 31 jolay 2026 teto amin’ny CISCO Ikalamavony ny fifaninanana ara-panatanjahan...
02/08/2026

✳️Nifarana tamin'ny fomba ofisialy ny zoma 31 jolay 2026 teto amin’ny CISCO Ikalamavony ny fifaninanana ara-panatanjahantena an-tsekoly rejionaly « FAGNINDY »ho an'ny DREN Matsiatra Ambony.

▶️ Ny ekipan’ny CISCO Fianarantsoa ( sokajy vehivavy ) no nandresy tamin'ny taranja « basket » ary ny ekipan’ny CISCO Ikalamavony ( sokajy lehilahy) kosa no nibata ny fandresana ho an’ny taranja baolina kitra.Izy ireo no hisolo tena ny DREN Matsiatra Ambony amin'ny dingana Nasionaly any Mahajanga, ny 10 ka hatramin'ny 16 aogositra 2026.

▶️Miisa 30 ireo mpianatra hisolo tena ny DREN Matsiatra Ambony : 8 « Athlètes »,10 ho an’ny taranja « basket » ary 12 kosa ny ao amin'ny baolina kitra.

▶️Kabary nifandimbiasana, fizarana medaly ary amboara no namaranana ny lalao ara-panatanjahantena an-tsekoly teo amin’ny kianja malalaka Ambodifarihy.

✳️Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny alatsinainy 27 jolay 2026 ny lalao ara-panatanjahantena an-tsekoly rejionaly 202...
28/07/2026

✳️Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny alatsinainy 27 jolay 2026 ny lalao ara-panatanjahantena an-tsekoly rejionaly 2026 ho an’ny faritra Matsiatra Ambony izay atao ato amin’ny CISCO Ikalamavony, izay mitondra ny lohahevitra hoe « FAGNINDY ».

▶️Haharitra 05 andro izany lalao ara-panatanjahantena an-tsekoly izany.

▶️Ny lohahevitra hoe "FAGNINDY" dia manasongadina ny finiavana mba hahatongavana amin’ny tanjona iray ao anatin’ny fifankatiavana sy firahalahiana eo amin’ny sehatry ny fanatanjahantena.

▶️Mandray anjara amin’izao ireo CISCO 7 ( Fianarantsoa, Isandra, Vohibato, Lalangina, Ambalavao, Ambohimahasoa ary Ilakalamavony) izay mandrafitra ny DREN Matsiatra Ambony.

▶️Miisa 210 ireo atleta mandray anjara amin’izao fifaninanana izao toy ny "Basket", "foot" ary "athlétisme".

▶️Nisy ny diabe ary dihy mirindra nentina nanokafana izany.

▶️Nanome voninahitra sy nanotrona izao lanonam-panokafana izao ny Talem-paritry ny fanabeazam-pirenena Matsiatra Ambony, ireo Lehiben'ny CISCO 7, ireo olo-manan-kaja maro isan-tsokajiny ary ireo solontena avy any amin’ny Minisitera foibe.

▶️ Tanjona ny hampiroborobo ny fanatanjahantena an-tsekoly, ny firaisankina ary ny fifanajana eo amin'ireo tanora avy amin'ny CISCO samihafa.

✳️Nanatanteraka fihaonana teto amin'ny "Salle Audio" DREN Matsiatra Ambony ireo lehiben'ny ZAP sy Talen-tsekoly eto amin...
23/07/2026

✳️Nanatanteraka fihaonana teto amin'ny "Salle Audio" DREN Matsiatra Ambony ireo lehiben'ny ZAP sy Talen-tsekoly eto amin'ny CISCO Fianarantsoa ny alarobia 22 jolay 2026, izay notarihin'ny Talem-paritry ny Fanabeazam-pirerena Matsiatra Ambony sy ny Lehiben'ny CISCO Fianarantsoa.

▶️Natao izao ho fanomezana toromarika ho an'ireo sekoly hisitraka fampidirana rano izay azo avy amin'ny alalan'ny "Projet PAEP".

▶️Nodinihina tao ihany koa ny fanomanana ireo sekoly izay handray ireo mpizaika avy amin'ny FLM sy FJKM.

✳️Notanterahina ny talata 21 jolay 2026 ny famindram-pitantanana  teo amin'ny Lehiben'ny CRFRP Mahazengy izay natrehin'n...
23/07/2026

✳️Notanterahina ny talata 21 jolay 2026 ny famindram-pitantanana teo amin'ny Lehiben'ny CRFRP Mahazengy izay natrehin'ny lehiben'ny sampan-draharaha misahana ny fitantanana sy ny ara-bola sy ny lehiben'ny sampan-draharaha misahana ny tantsoroka an-tsekoly sy ny fitsirihana ara-pedagojia eto amin'ny DREN Matsiatra Ambony.

▶️Nanambara ny Lehiben'ny CRFRP vaovao fa vonona hanohy ary hanatsara ny fitantanana nisy teo aloha.

✳️ Ny alarobia 15 jolay 2026 no tonga nidina ifotony tao amin'ny Kaominina Tanamarina Bekisopa, Distrikan’Ikalamavony ny...
19/07/2026

✳️ Ny alarobia 15 jolay 2026 no tonga nidina ifotony tao amin'ny Kaominina Tanamarina Bekisopa, Distrikan’Ikalamavony ny Talem-paritry ny fanabeazam-pirenena Matsiatra Ambony sy ny Lehiben’ny CISCO Ikalamavony izay notarihin'ny Lehiben'ny Distrika niarahana tamin'ny foibem-pitondram-paritra misahana ny Fanavaozana, ny foibem-pitondram-paritry ny mponina sy ny Firaisankina, ary ny Foibem-pitondram-paritry ny rano, fidiovana ary Fanadiovana.

▶️Nifanakalo hevitra tamin’ny mponina ny tompon’andraikitra mba hamantarana ny olana
misy ao an-toerana.

▶️Nisy hetsika maro no natao nandritra izany dia ny famorana faobe, ny fanamboarana karapanondro sy kopia, ny fizaham-pahasalamana maimaim-poana.

▶️Nisy ihany koa ny fanentanana ny ray aman-dreny amin'ny fampidirana ny zanany an-tsekoly, ary ihany koa ny momba ny fahadiovana, ny fitantanana ny rano ary ny fiarovana ny tontolo iainana.

🛑Nandritra ny fidinana ifotony nataon’ny Talem-paritry ny fanabeazam-pirenena Matsiatra Ambony tao amin’ny kaominina Tsi...
14/07/2026

🛑Nandritra ny fidinana ifotony nataon’ny Talem-paritry ny fanabeazam-pirenena Matsiatra Ambony tao amin’ny kaominina Tsitondroina, CISCO Ikalamavony dia nihaona tamin’ireo ray aman-dreny, mpampianatra, talen-tsekoly ary ny lehiben’ny ZAP ao an-toerana izy sy ny Lehiben'ny CISCO Ikalamavony, ny alatsinainy 13 jolay 2026.

▶️ Anisan’ireo tafiditra amin’ny faritra mena ho an’ny tsy fampianaran-janaka ity Kaominina ity ary izany indrindra no anton’izao fidinana ifotony izao.

▶️Ahitana sekoly miisa 14 ny ZAP Tsitondroina, 13 isa ny EPP ary 1 kosa ny CEG ao an-toerana.

▶️ Nanambara ny Talem-paritra fa vonona hatrany izy ny hifanampy sy hiara-hientana amin’ireo ray aman-dreny sy ny mpampianatra ho fanatsarana hatrany ny kalitaon’ny fanabeazana ary koa ho fampandrosoana ny Kaominina Tsitondroina.

🛑Nanatanteraka fidinana ifotony, ny alatsinainy 13 jolay 2026, tao amin’ny Kaominina Tsitondroina, CISCO Ikalamavony, ny...
14/07/2026

🛑Nanatanteraka fidinana ifotony, ny alatsinainy 13 jolay 2026, tao amin’ny Kaominina Tsitondroina, CISCO Ikalamavony, ny Talem-paritry ny Fanabeazam-pirenena Matsiatra Ambony sy ireo mpiara-miombon’antoka, notarihin’ny Lehiben’ny Distrikan'Ikalamavony.

▶️Nifanakalo hevitra tamin’ny mponina ny tompon’andraikitra mba hamantarana ny olana misy ao an-toerana.

▶️Hetsika maro no natao nandritra izany dia ny famorana faobe, ny fanamboarana karapanondro sy kopia, ny fizaham-pahasalamana maimaim-poana.

▶️Nisy ihany koa ny fanentanana ny ray aman-dreny amin'ny fampidirana ny zanany an-tsekoly, ary ihany koa ny momba ny fahadiovana, ny fitantanana ny rano ary ny fiarovana ny tontolo iainana.

🛑Nanatanteraka hady fototra ny trano sekoly ny ray aman-drenin'ny mpianatra ao amin'ny CEG Ikalamavony, CISCO Ikalamavon...
14/07/2026

🛑Nanatanteraka hady fototra ny trano sekoly ny ray aman-drenin'ny mpianatra ao amin'ny CEG Ikalamavony, CISCO Ikalamavony, ny zoma 10 jolay 2026.

▶️Noho ny hamaroan'ny mpianatra afaka CEPE dia tsy ampy ny fotodrafitrasa hianarana ka nanapan-kevitra hanorina sekoly vaovao ny ao amin'ny CISCO Ikalamavony.

▶️Tonga nanatrika izany ny Lehiben'ny CISCO Ikalamavony, notronin'ireo olom-boatendry sy olom-boafidy ao an-toerana.

🛑Nisalotra ny anarana ESMERALDA ireo mpianatra kilasy famaranana, andiany faha-33, tao amin'ny Lycée Catholique Saint Jo...
14/07/2026

🛑Nisalotra ny anarana ESMERALDA ireo mpianatra kilasy famaranana, andiany faha-33, tao amin'ny Lycée Catholique Saint Joseph Ambozontany, CISCO Fianarantsoa, izay navoaka ny sabotsy 11 jolay 2026.

▶️ Sorona Masina tao amin'ny Katedraly Ambozontany no nisantarana azy.

▶️Nandritra izany no nizarana ny mari-pankasitrahana sy ny tso-drano ho an'ireto mpianatra ireto.

▶️ Tonga nanatrika izany amin'ny maha Ray Mpiahy ireto andiany Esmeralda ireto ny Talem-paritry ny Fanabeazam-pirenena Matsiatra Ambony, sy ny Talem-paritra misahana ny fanavaozana, izay Reny Mpiahy ihany koa.

Address

Mahamanina
Fianarantsoa
301

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when DREN Haute Matsiatra posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share