14/09/2026
🇺🇸🇲🇬 Tongasoa any Etazonia ary arahabaina, Atoa Hajalalaina Aimé Richard, voafantina handray anjara manomboka androany amin'ny International Visitor Leadership Program (IVLP) hifantoka amin'ny Fiaraha-miasa Stratejika amin'ny Oniversite.
🔹Ny IVLP dia fandaharan'asa fifanakalozana matihanina ampifandraisan’ny Departemantam-panjakana Amerikana ireo mpitarika manerantany amin'ireo manampahaizana sy rafi-panjakana amerikana amina lohahevitra manokana iray.
🔹Amin'ny maha-filohan'ny Oniversiten’i Fianarantsoa azy, dia hitsidika oniversite maro Atoa Hajalalaina ato anatin'ny telo herinandro, toy ny any Washington, D.C.; Baltimore, Maryland; Kalamazoo, Michigan; East Lansing, Michigan; Iowa City, Iowa; ary New Orleans, Louisiana, ary hihaona amin'ireo mpisehatra any an-toerana hiresaka ny fomba fanamafisam-piaraha-miasa eo amin'ny sehatry ny fampianarana ambony. Fotoana io hifampizarana traikefa sy hifanakalozana hevitra, ary hijerena ny mety ho endrim-piaraha-miasa vaovao eo amin'ny samy oniversite.
🔹Tsy andrinay sahady ny hahita ny fahombiazana ho entin'ity programa fifanakalozana ity amin'ny fampiroboroboana ny fiaraha-miasa eo amin'ny sehatry ny fampianarana ambony.
--
🇺🇸🇲🇬 Welcome to the United States and congratulations, Mr. Hajalalaina Aimé Richard!
🔹 Starting today, he will take part in the high-level International Visitor Leadership Program (IVLP) on Strategic University Partnerships, a prestigious U.S. government exchange program connecting global leaders with American institutions and expertise.
🔹 As the President of the University of Fianarantsoa, Mr. Hajalalaina will travel across the United States over the next three weeks, visiting Washington, D.C.; Baltimore, Maryland; Kalamazoo, Michigan; East Lansing, Michigan; Iowa City, Iowa; and New Orleans, Louisiana, to engage with U.S. universities and counterparts on strengthening strategic partnerships in higher education. He will have the opportunity to share experiences, exchange ideas, and explore new approaches to building stronger, more strategic partnerships between universities.
🔹We look forward to seeing the connections he builds and the impact he will bring home to advance higher education collaboration!
📷: 𝘕𝘺 𝘔𝘱𝘢𝘯𝘰𝘭𝘰𝘵𝘴𝘢𝘪𝘯𝘢 𝘮𝘰𝘮𝘣𝘢 𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘳𝘢𝘴𝘦𝘳𝘢 𝘴𝘺 𝘒𝘰𝘭𝘰𝘯𝘵𝘴𝘢𝘪𝘯𝘢 𝘦𝘵𝘰 𝘢𝘮𝘪𝘯'𝘯𝘺 𝘔𝘢𝘴𝘰𝘪𝘷𝘰𝘩𝘰 𝘈𝘮𝘦𝘳𝘪𝘬𝘢𝘯𝘢 𝘈𝘵𝘰𝘢 𝘙𝘺𝘢𝘯 𝘗𝘦𝘴𝘦𝘤𝘬𝘢𝘴, 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘔𝘱𝘢𝘯𝘰𝘭𝘰𝘯𝘵𝘴𝘢𝘪𝘯𝘢 𝘓𝘦𝘧𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘮𝘰𝘮𝘣𝘢 𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘳𝘢𝘴𝘦𝘳𝘢 𝘴𝘺 𝘒𝘰𝘭𝘰𝘯𝘵𝘴𝘢𝘪𝘯𝘢 𝘙𝘵𝘰𝘢 𝘒𝘢𝘵𝘩𝘳𝘪𝘯𝘦 𝘔𝘢𝘯𝘤𝘶𝘴𝘰 𝘯𝘪𝘢𝘳𝘢𝘩𝘢𝘣𝘢 𝘢𝘯'𝘈𝘵𝘰𝘢 𝘏𝘢𝘫𝘢𝘭𝘢𝘭𝘢𝘪𝘯𝘢 𝘈𝘪𝘮é 𝘙𝘪𝘤𝘩𝘢𝘳𝘥 𝘮𝘪𝘢𝘭𝘰𝘩𝘢𝘯'𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘢𝘪𝘯𝘨𝘢𝘯𝘺.